Romana 11:10-26 Malagasy Bible (MG1865)

10. Aoka ny masony ho jamba tsy hahita, Ary aoka hamokoka mandrakariva izy (Sal. 69. 22, 23).

11. Dia hoy izaho: Sao dia tafintohina ho lavo anie ny Isiraely? Sanatria izany! fa ny fahatafintohinany no nahatonga famonjena ho an'ny jentilisa mba hampialona azy.

12. Ary raha ny fahatafintohinany no tonga haren'izao tontolo izao, ary ny nihenany no tonga haren'ny jentilisa, mainka fa ny hafenoany.

13. Fa ianareo jentilisa no itenenako. Koa satria Apostolin'ny jentilisa aho, dia mankalaza ny fanompoako,

14. raha mba misy hahazoako hampialona ireo mifanapa-tsinay amiko, mba hamonjeko ny sasany aminy.

15. Fa raha ny fanariana azy no fampihavanana izao tontolo izao, tsy ho fitsanganana amin'ny maty ny fandraisana azy?

16. Ary koa, raha masina ny santatra, dia masina koa ny vongany; ary raha masina ny fakany, dia masina koa ny sampany.

17. Fa raha notapahina ny sampany sasany, ary ianao izay tahaka ny hazo oliva maniry ho azy kosa no natsofoka teo aminy mba niombona ny fakan'ny menaky ny hazo oliva

18. dia aza mirehareha amin'ny sampany; fa raha mirehareha ianao, tsy ianao no mitondra ny fakany, fa ny fakany no mitondra anao.

19. Ary ianao dia hanao hoe: Notapahina ny sampany sasany hanatsofohana ahy.

20. Marina ihany izany; ny tsi-finoany no nanapahana azy, ary ny finoanao kosa no itoeranao. Aza miavonavona, fa matahora;

21. fa raha ny tena sampana aza tsy navelan'Andriamanitra, dia tsy havelany koa ianao.

22. Koa indro ny fahamoram-panahin'Andriamanitra sy ny fahasaro-pony: amin'izay lavo dia fahasaro-po; fa aminao kosa dia fahamoram-panahin'Andriamanitra, raha maharitra ao amin'ny fahamoram-panahiny ianao; fa raha tsy izany, dia hotapahina koa ianao.

23. Ary ireny kosa, raha tsy mikikitra eo amin'ny tsi-finoana, dia hatsofoka ihany; fa azon'Andriamanitra atsofoka indray izy.

24. Fa raha notapahina tamin'ny hazo oliva naniry ho azy ianao ka natsofoka tamin'ny hazo oliva tsara, nefa tsy tena sampany, mainka fa izay tena sampany no hatsofoka amin'ny hazo oliva nanapahana azy.

25. Fa tsy tiako tsy ho fantatrareo izany zava-miafina izany, ry rahalahy (fandrao mihevitra ny tenanareo ho hendry ianareo), fa efa misy fahamafiam-po manjo ny Isiraely sasany mandra-piditry ny hafenoan'ny jentilisa;

26. ary amin'izany dia hovonjena avokoa ny Isiraely rehetra, - araka ny voasoratra hoe: Hivoaka avy any Ziona ny Mpanafaka, Ary hampiala ny haratsiam-panahy amin'i Jakoba Izy;

Romana 11