Romana 11:1-5 Malagasy Bible (MG1865)

1. Dia hoy izaho: Sao narian'Andriamanitra anie ny olony? Sanatria izany! fa izaho koa mba Isiraelita'taranak'i Abrahama ihany, avy amin'ny firenen'i Benjamina.

2. Andriamanitra tsy nanary ny olony izay efa fantany rahateo; sa tsy fantatrareo izay lazain'ny Soratra Masina eo amin'ny tantaran'i Elia, dia ilay fitarainany tamin'Andriamanitra nentiny namely ny Isiraely hoe:

3. Jehovah รด, efa namono ny mpaminaninao sy nandrava ny alitaranao izy: ary izaho irery ihany no sisa, ka mitady ny aiko koa izy? (1 Mpan. 19. 14).

4. Fa ahoana no navalin'Andriamanitra azy? Izaho efa niaro fito arivo lahy ho Ahy, dia izay tsy mba nandohalika tamin'i Bala (1 Mpan. 19. 18).)

5. Dia toy izany koa amin'izao andro ankehitriny izao misy sisa ihany araka ny fifidianana amin'ny fahasoavana.

Romana 11