7. Izay mananatra ny mpaniratsira dia afa-baraka; Ary izay mananatra ny ratsy fanahy dia hahazo tsiny.
8. Aza mananatra ny mpaniratsira ianao, fandrao halany; Ny hendry no anaro, dia ho tiany ianao.
9. Toroy ny hendry, dia hihahendry izy; Ampianaro ny marina, dia hitombo saina izy.
10. Ny fahatahorana an'i Jehovah no fiandoham-pahendrena; Ary ny fahafantarana ny Iray Masina no fahazavan-tsaina.
11. Fa izaho no hampitomboana ny andronao Sy hanamaroana ny taona hiainanao.
12. Raha hendry ianao, dia hendry ho an'ny tenanao ihany; Fa raha maniratsira kosa ianao, dia ianao ihany no hiharan'izany.
13. Ny fahadalana dia toy ny vehivavy vavàna; Kely saina izy ka tsy mahalala na inona na inona.
14. Fa mipetraka eo am-baravaran'ny tranony izy, Ary amin'ny seza eny amin'ny fitoerana avo eo an-tanàna,
15. Mba hiantso ny mpandalo Izay mizotra amin'ny alehany, ka manao hoe:
16. Aoka hivily atỳ izay kely saina; Ary amin'izay tsy ampy saina dia hoy izy:
17. Mamy ny rano angalarina, Ary fy ny mofo hanina amin'ny fiafenana,
18. Nefa tsy fantany fa ny maty no ao, Ary any amin'ny halalin'ny fiainan-tsi-hita ny olona nasainy.