Ohabolana 9:1-13 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ny fahendrena efa nanao ny tranony; Efa nipaika ny andriny fito izy;

2. Efa namono ny bibiny sy nangaroharo ny divainy izy Ary efa namelatra ny latabany koa;

3. Ary efa naniraka ny ankizivaviny izy; Miantso eny an-tampon'ny fitoerana avo any an-tanàna izy ka manao hoe:

4. Izay kely saina, dia aoka izy hankatỳ; Ary amin'izany tsy ampy saina dia hoy izy:

5. Avia, hano ny mofoko, Ary sotroy ny divay voaharoharoko.

6. Ilaozy ny kely saina, dia ho velona ianao, Ary mizora amin'ny lalan'ny fahalalana.

7. Izay mananatra ny mpaniratsira dia afa-baraka; Ary izay mananatra ny ratsy fanahy dia hahazo tsiny.

8. Aza mananatra ny mpaniratsira ianao, fandrao halany; Ny hendry no anaro, dia ho tiany ianao.

9. Toroy ny hendry, dia hihahendry izy; Ampianaro ny marina, dia hitombo saina izy.

10. Ny fahatahorana an'i Jehovah no fiandoham-pahendrena; Ary ny fahafantarana ny Iray Masina no fahazavan-tsaina.

11. Fa izaho no hampitomboana ny andronao Sy hanamaroana ny taona hiainanao.

12. Raha hendry ianao, dia hendry ho an'ny tenanao ihany; Fa raha maniratsira kosa ianao, dia ianao ihany no hiharan'izany.

13. Ny fahadalana dia toy ny vehivavy vavàna; Kely saina izy ka tsy mahalala na inona na inona.

Ohabolana 9