Ohabolana 8:29-36 Malagasy Bible (MG1865)

29. Raha nanisy faritra ho an'ny ranomasina Izy, Mba tsy hahazoan'ny rano mihoatra ny fetrany, Ary nandidy ny amin'ny fanorenan'ny tany,

30. Dia mpità-marika teo anilany aho Sady ravoravo isan'andro isan'andro Ka nilalao mandrakariva teo anatrehany;

31. Eny, nahafaly ahy ny tany nataony honenana, Ary naharavoravo ahy ny zanak'olombelona.

32. Koa mihainoa ahy ianareo, anaka; Fa sambatra izay manaraka ny diako;

33. Minoa anatra, ka hendre, Fa aza mandà.

34. Sambatra izay olona mihaino ahy Ka miari-tory mandrakariva eo am-bavahadiko, Ary miandry eo amin'ny tolam-baravarako.

35. Fa izay mahita ahy dia mahita fiainana Sady mahazo sitraka amin'i Jehovah;

36. Fa izay diso ahy kosa mampidi-doza amin'ny fanahiny; Ary izay rehetra mankahala ahy tia fahafatesana.

Ohabolana 8