Ohabolana 8:2-9 Malagasy Bible (MG1865)

2. Eo an-tampon'ny fitoerana avo amoron-dalana Sy eo an-tsampanan-dalana no ijoroany.

3. Eo anilan'ny vavahady, amin'ny fidirana ho ao an-tanĂ na, Sy eo anaty vavahady no iantsoany maty hoe:

4. Hianareo no antsoiko, ry olona; Ary ny feoko ho amin'ny zanak'olombelona.

5. Fantaro ny fahendrena, ry kely saina; Ary fantaro ny fahalalana, ry adala.

6. Henoy, fa hilaza zava-tsoa aho; Ary ny hilaza ny mahitsy no isokafan'ny molotro.

7. Fa ny marina ihany no holazain'ny vavako; Ary ny ratsy dia fahavetavetana, raha amin'ny molotro.

8. Marina ny teny rehetra aloaky ny vavako; Tsy misy fiolakolahana na fitaka ao aminy.

9. Miharihary avokoa izy, raha amin'ny mazava saina, Ary mahitsy, raha amin'ny efa nahazo fahalalana.

Ohabolana 8