Ohabolana 7:1-3 Malagasy Bible (MG1865)

1. Anaka, tandremo ny teniko, Ary raketo ao aminao ny didiko.

2. Tandremo ny didiko, dia ho velona ianao; Ary tandremo toy ny anakandriamasonao ny lalàko.

3. Afehezo eo amin'ny rantsan-tananao izy, Soraty ao amin'ny fonao tahaka ny amin'ny vato fisaka izy.

Ohabolana 7