29. Dia toy izany izay mankamin'ny vadin'ny namany; Tsy maintsy hampijalina izay mikasika azy.
30. Tsy avelan'ny olona ho afa-maina ny mpangalatra, Raha maka zavatra hahavoky ny tenany izy, na dia noana aza;
31. Fa raha azo izy, dia hampanoneriny fito heny Ka hanome ny fananana rehetra ao an-tranony.
32. Izay mijangajanga amin'ny vehivavy dia tsy ampy saina; Izay ta-hanimba tena no manao izany.
33. Voakapoka sy afa-baraka izy Ary tsy ho afaka amin'ny tondro-molotra.