Ohabolana 5:3-7 Malagasy Bible (MG1865)

3. Fa ny molotry ny vehivavy jejo dia mitete toy ny tantely avy amin'ny tohotra, Ary ny vavany dia malama noho ny diloilo;

4. Nefa ny farany mangidy tahaka ny hazo mahafaty Ary maranitra hoatra ny sabatra roa lela.

5. Ny tongony midina ho any amin'ny fahafatesana, Ary ny diany mizotra ho any amin'ny fiainan-tsi-hita.

6. Tsy mahazo mandia ny lalan'aina mihitsy izy, Fa manjenjena, ka tsy fantany akory izay halehany.

7. Koa mihainoa ahy, ry zanaka, Ary aza miala amin'ny teny aloaky ny vavako.

Ohabolana 5