Ohabolana 5:11-23 Malagasy Bible (MG1865)

11. Ka dia hitoloko ianao any am-parany, Raha mihalevona ny nofonao sy ny tenanao;

12. Dia hanao hoe ianao: Nahoana re no nankahala famaizana aho? Ary nahoana no naniratsira fanaranana ny foko,

13. Ka tsy nihaino ny tenin'ny mpanoro hevitra ahy, Ary tsy nanongilana ny sofiko hihaino ny mpampianatra ahy?

14. Efa saiky azon'ny ratsy rehetra aho Tao amin'ny fiangonana sy ny fivoriana.

15. Misotroa rano avy amin'ny lavaka famorian-dranonao ihany Sy rano miboiboika avy amin'ny fantsakanao.

16. Hipasaka eny ivelany va ny rano avy amin'ny loharanonao, Ary eny an-dalambe ny rano velonao?

17. Aoka ho anao irery ihany izany, Fa aza iombonana amin'ny hafa.

18. Aoka hotahina ny loharanonao, Ary mifalia amin'ny vadin'ny fahatanoranao.

19. Fa dieravavy mahate-ho-tia sy osi-dia tsara bika izy, Dia aoka ny tratrany no hahafeno fifaliana anao mandrakariva, Ary aoka ho feno faharavoravoana lalandava amin'ny fitiavany ianao.

20. Nahoana ianao, anaka, no ho renoka amin'ny fitiavana vehivavy jejo Ka hanohona ny tratran'ny vahiny janga?

21. Fa eo imason'i Jehovah ny alehan'ny olona, Ary ny diany rehetra dia dinihiny avokoa.

22. Ny heloky ny ratsy fanahy dia mahazo ny tenany ihany, Ary ny kofehin'ny fahotany no itanana azy

23. Maty noho ny tsi-fahazoany famaizana izy, Eny, mikorapaka noho ny haben'ny fahadalany.

Ohabolana 5