Ohabolana 5:1-5 Malagasy Bible (MG1865)

1. Anaka, tandremo ny fahendreko, Ary atongilano ny sofinao ho amin'ny fahalalako,

2. Hiheveranao tsara ny fisainana mazava Sy hitandreman'ny molotrao ny fahalalana.

3. Fa ny molotry ny vehivavy jejo dia mitete toy ny tantely avy amin'ny tohotra, Ary ny vavany dia malama noho ny diloilo;

4. Nefa ny farany mangidy tahaka ny hazo mahafaty Ary maranitra hoatra ny sabatra roa lela.

5. Ny tongony midina ho any amin'ny fahafatesana, Ary ny diany mizotra ho any amin'ny fiainan-tsi-hita.

Ohabolana 5