Ohabolana 4:9-14 Malagasy Bible (MG1865)

9. Dia hasiany fehiloha mahafinaritra ny lohanao; Eny, satro-boninahitra tsara tarehy no homeny anao.

10. Anaka, mihainoa, ka raiso ny teniko; Dia hihamaro ny taona hiainanao.

11. Làlam-pahendrena no atoroko anao: Eny, mitarika anao amin'ny lalana mahitsy aho.

12. Raha mandeha ianao, dia tsy ho etỳ ny lalanao; Ary raha mihazakazaka ianao, dia tsy ho tafintohina.

13. Tano mafy ny fananarana, ka aza avela hiala; Hazony izy, fa ainao.

14. Aza mankany amin'ny alehan'ny ratsy fanahy, Ary aza mizotra amin'ny lalan'ny ratsy.

Ohabolana 4