8. Asandrato izy, dia hanandratra anao kosa Eny, hanome voninahitra anao izy, raha tananao.
9. Dia hasiany fehiloha mahafinaritra ny lohanao; Eny, satro-boninahitra tsara tarehy no homeny anao.
10. Anaka, mihainoa, ka raiso ny teniko; Dia hihamaro ny taona hiainanao.
11. Làlam-pahendrena no atoroko anao: Eny, mitarika anao amin'ny lalana mahitsy aho.
12. Raha mandeha ianao, dia tsy ho etỳ ny lalanao; Ary raha mihazakazaka ianao, dia tsy ho tafintohina.
13. Tano mafy ny fananarana, ka aza avela hiala; Hazony izy, fa ainao.