2. Fa anatra tsara no omeko anareo; Aza mahafoy ny lalàko.
3. Fa zanak'ikaky aho, Sady tiana no hany malala teo imason'ineny.
4. Ary nampianatra ahy izy ka nanao tamiko hoe: Aoka ny fonao hitana ny teniko; Tandremo ny didiko, dia ho velona ianao.
5. Mahazoa fahendrena, mahazoa fahalalana; Fa aza hadinoina na ihemorana ny teny aloaky ny vavako.
6. Aza mahafoy azy, fa hiaro anao izy; Tiavo izy, dia hitandrina anao.
7. Ny voaloham-pahendrena dia izao: Mahazoa fahendrena; Eny, lanio ny fanananao rehetra hamidy fahalalana tsara.
8. Asandrato izy, dia hanandratra anao kosa Eny, hanome voninahitra anao izy, raha tananao.