Ohabolana 4:1-5 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ry zanaka, henoy ny anatry ny ray, Ary tandremo mba hahazoanareo ny fahalalana tsara.

2. Fa anatra tsara no omeko anareo; Aza mahafoy ny lalàko.

3. Fa zanak'ikaky aho, Sady tiana no hany malala teo imason'ineny.

4. Ary nampianatra ahy izy ka nanao tamiko hoe: Aoka ny fonao hitana ny teniko; Tandremo ny didiko, dia ho velona ianao.

5. Mahazoa fahendrena, mahazoa fahalalana; Fa aza hadinoina na ihemorana ny teny aloaky ny vavako.

Ohabolana 4