Ohabolana 31:19-26 Malagasy Bible (MG1865)

19. Mandray ny fihazonam-bohavoha izy, Ary ny tànany mihazona ny ampela.

20. Manatsotra ny tànany amin'ny ory izy, Eny, mamelatra ny tànany amin'ny mahantra.

21. Tsy manahy ny oram-panala ho amin'ny ankohonany izy, Fa ny ankohonany rehetra samy voatafy volon'ondry mena avokoa.

22. Manao firakotra ho azy izy; Ny fitafiany dia rongony fotsy madinika sy lamba volomparasy.

23. Ny lahy dia hajaina eo am-bavahady, Raha miara-mipetraka eo amin'ny loholona.

24. Manao akanjo hariry madinika ravehivavy ka mivarotra izany, Ary fehin-kibo no amidiny amin'ny mpandranto.

25. Hery sy voninahitra no fitafiany, Ary ny andro ho avy dia ihomehezany.

26. Manokatra ny vavany amin'ny fahendrena izy; Ary ny lalàn'ny famindram-po no eo amin'ny lelany.

Ohabolana 31