15. Mifoha izy, raha mbola alina, Ka manome hanina ho an'ny ankohonany Sy anjara ho an'ny ankizivaviny.
16. Mihevitra saha izy ka mahazo azy; Ny vokatry ny tànany no anaovany tanim-boaloboka.
17. Misikina hery izy, Ary hatanjahiny ny sandriny.
18. Hitany fa tsara ny tombom-barony, Ary tsy maty jiro mandritra ny alina izy.
19. Mandray ny fihazonam-bohavoha izy, Ary ny tànany mihazona ny ampela.
20. Manatsotra ny tànany amin'ny ory izy, Eny, mamelatra ny tànany amin'ny mahantra.
21. Tsy manahy ny oram-panala ho amin'ny ankohonany izy, Fa ny ankohonany rehetra samy voatafy volon'ondry mena avokoa.
22. Manao firakotra ho azy izy; Ny fitafiany dia rongony fotsy madinika sy lamba volomparasy.
23. Ny lahy dia hajaina eo am-bavahady, Raha miara-mipetraka eo amin'ny loholona.
24. Manao akanjo hariry madinika ravehivavy ka mivarotra izany, Ary fehin-kibo no amidiny amin'ny mpandranto.
25. Hery sy voninahitra no fitafiany, Ary ny andro ho avy dia ihomehezany.
26. Manokatra ny vavany amin'ny fahendrena izy; Ary ny lalàn'ny famindram-po no eo amin'ny lelany.
27. Mitandrina tsara ny ataon'ny ankohonany izy Ary tsy homana ny mofon'ny fahalainana.
28. Ny zanany mitsangana ka midera azy hoe sambatra; Ny lahy koa mitsangana ka midera azy hoe:
29. Maro no zazavavy nanao soa, Fa ianao manoatra noho izy rehetra.