Ohabolana 30:1-4 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ny teny mavesa-danja nataon'i Agora, zanak'i Jake, dia ny teny nataon-dralehilahy tamin'Itiela, eny, tamin'Itiela sy Okala:

2. Izaho dia biby, fa tsy olona, Ary tsy manan-tsain'olombelona aho.

3. Tsy nianatra fahendrena aho, Na nahazo ny fahalalana ny Iray Masina.

4. Iza no efa niakatra tany an-danitra sady nidina indray? Iza no nahangona ny rivotra tao an-tànany? Iza no nahafono ny rano tamin'ny lambany? Iza no nahamisy ny faran'ny tany rehetra? Iza no anarany, ary iza no anaran'ny zanany? Fa toa fantatrao!

Ohabolana 30