4. Ka dia hahazo fitia sy fahalalana tsara Eo anatrehan'Andriamanitra sy ny olona ianao.
5. Matokia an'i Jehovah amin'ny fonao rehetra, Fa aza miankina amin'ny fahalalanao;
6. Maneke Azy amin'ny alehanao rehetra, Fa Izy handamina ny lalanao,
7. Aza manao anao ho hendry; Matahora an'i Jehovah, ka mifadia ny ratsy.
8. Dia ho famelombelomana ny nofonao izany Sy ho fanamandoana ny taolanao.
9. Mankalazà an'i Jehovah amin'ny fanananao Sy amin'izay voaloham-bokatrao rehetra;
10. Ka dia ho feno mitafotafo ny fitoeram-barinao, Ary hihoatra ny ranom-boaloboka eo amin'ny vata fanantazanao.
11. Anaka, aza manamavo ny famaizan'i Jehovah, Ary aza tofoka amin'ny fananarany;
12. Fa izay tian'i Jehovah no anariny, Dia tahaka ny ataon'ny ray amin'ny zanaka tiany.
13. Sambatra izay olona mahita fahendrena Sy izay olona mahazo fahalalana.