Ohabolana 3:28-32 Malagasy Bible (MG1865)

28. Aza manao amin'ny namanao hoe: Mandehana, ka avia indray, fa rahampitso no homeko; Kanefa manana ihany ianao.

29. Aza mamorona sain-dratsy ho enti-mamely ny namanao, Saingy mitoetra matoky eo aminao izy.

30. Aza miady amin'olona foana, Raha tsy mbola nanisy ratsy anao izy.

31. Aza mialona ny olon-dozabe, Na mifidy izay lalany akory,

32. Satria fahavetavetana eo imason'i Jehovah ny maniasia, Fa ao amin'ny marina kosa ny fisakaizany.

Ohabolana 3