Ohabolana 3:20-29 Malagasy Bible (MG1865)

20. Ny fahalalany no entiny mampiboiboika ny rano any amin'ny lalina Sy ampitetevany ando avy amin'ny rahona.

21. Anaka, aoka tsy hiala amin'ny masonao izany; Raketo ny tena fahendrena sy ny fisainana mazava,

22. Ka dia ho ain'ny fanahinao izany Ary ho firavaky ny vozonao,

23. Dia handroso aman-toky ianao, Ka tsy ho tafintohina ny tongotrao.

24. Tsy hatahotra ianao, raha mandry; Eny, handry ianao, ary ho mamy ny torimasonao.

25. Aza manahy ny tahotra avy tampoka, Na ny rivo-doza mamely ny ratsy fanahy, raha avy izany;

26. Fa Jehovah no ho tokinao Ka hiambina ny tongotrao tsy ho voafandrika.

27. Aza mamihina ny soa amin'izay tokony homena azy, Raha azon'ny tananao atao ihany;

28. Aza manao amin'ny namanao hoe: Mandehana, ka avia indray, fa rahampitso no homeko; Kanefa manana ihany ianao.

29. Aza mamorona sain-dratsy ho enti-mamely ny namanao, Saingy mitoetra matoky eo aminao izy.

Ohabolana 3