Ohabolana 29 Malagasy Bible (MG1865)

1. Izay olona anarina matetika ka mihamafy hatoka Dia ho torotoro tampoka, ka tsy hisy fahasitranana.

2. Raha mihamaro ny marina, dia faly ny vahoaka; Fa raha ny ratsy fanahy no manapaka, dia misento kosa izy.

3. Izay tia fahendrena no mahafaly ny rainy; Fa izay misakaiza amin'ny vehivavy janga dia mandany harena.

4. Ny rariny no ampandrian'ny mpanjaka ny tany; Fa izay mandray tambitamby no mandrava azy kosa.

5. Izay olona mandrobo ny namany Dia mamela-pandrika ny tongony.

6. Misy fandrika amin'ny heloky ny olon-dratsy; Fa ny marina mihoby sy mifaly.

7. Ny marina mihevitra ny adin'ny malahelo; Fa ny ratsy fanahy tsy hahalala fahendrena.

8. Ny mpaniratsira mampihotakotaka ny tanàna; Fa ny hendry mampionona fahatezerana.

9. Raha iadian'ny hendry ny adala, Dia tezitra sy mihomehy izy, ka tsy hisy fitsaharana.

10. Ny olona mpandatsa-drà mankahala ny tsy misy tsiny; Fa ny mahitsy kosa miahy ny ainy.

11. Ny fahatezeran'ny adala dia avoakany avokoa; Fa ny hendry kosa manindry fo.

12. Raha mihaino lainga ny mpanapaka, Dia ho ratsy fanahy ny mpanompony rehetra.

13. Mihaona ny malahelo sy ny mpampahory; Jehovah no manazava ny mason'izy roa tonta.

14. Izay mpanjaka mitsara marina ny malahelo, Dia haharitra mandrakizay ny seza fiandrianany.

15. Ny tsorakazo sy ny anatra no manome fahendrena; Fa ny zaza aranana mampahamenatra ny reniny.

16. Raha maro ny ratsy fanahy, dia mitombo ny ota; Fa ny marina ho faly mahita ny fahalavoany.

17. Faizo ny zanakao, dia ho famelombelomana ny fonao izy Sy ho fifalian'ny fanahinao.

18. Raha tsy misy fahitana, dia atondraka hanaram-po amin'izay tsy mety ny olona; Fa raha mitandrina ny lalàna kosa izy, dia sambatra.

19. Raha teny fotsiny ihany, dia tsy ampy hananarana ny mpanompo; Fa na dia fantany aza, tsy hankatoaviny.

20. Hitanao va ny olona faingam-bava? Ny adala aza misy hantenaina kokoa noho izy.

21. Ny mpanompo izay nampihantaina hatry ny fony mbola kely Dia hihambo ho zanaka any am-parany.

22. Ny olona mora tezitra manetsika ady; Ary ny olona masiaka dia be fahadisoana.

23. Ny fiavonavonan'ny olona no hampietry azy; Fa hahazo voninahitra kosa ny manetry tena.

24. Izay miray tetika amin'ny mpangalatra dia manary tena; Mandre ny fampianianana izy, nefa tsy mety milaza.

25. Mamandrika ny tahotra olona; Fa izay matoky an'i Jehovah no hovonjena.

26. Maro no mila sitraka amin'ny mpanapaka; Fa avy amin'i Jehovah ny fitsarana ny olona.

27. Ny meloka dia fahavetavetana eo imason'ny marina; Ary ny mahitsy lalana dia mba fahavetavetana eo imason'ny ratsy fanahy kosa.