20. Izay olona mahatoky tokoa dia ho be fitahiana; Fa izay maimay ta-hanan-karena dia tsy maintsy hohelohina.
21. Tsy mety raha mizaha tavan'olona; Kanefa na dia amin'ny sombin-kanina ihany aza dia sahin'ny olona hanotana.
22. Ny mpialona dia maimay ta-hanan-karena; Tsy fantany fa hanjo azy ny alahelo.
23. Izay mananatra olona no hahazo fitia be rahatrizay Noho izay mandrobo amin'ny lelany.
24. Izay mandroba ray sy reny Ka manao hoe: Tsy heloka izany, Dia naman'ny mpanimba.
25. Izay mierina manetsika ady; Fa izay matoky an'i Jehovah dia hohatavezina.
26. Izay matoky ny fony dia adala; Fa izay mandeha amin'ny fahendrena no ho afa-miala.
27. Izay manome ny malahelo tsy hanan-java-mahory; Fa izay mitampi-maso hahazo ozona be;
28. Raha misandratra ny ratsy fanahy, dia miery ny vahoaka; Fa raha ringana kosa izy, dia mihamaro ny marina.