Ohabolana 28:15-19 Malagasy Bible (MG1865)

15. Liona mierona sy bera miremby Ny mpanapaka ratsy fanahy amin'ny olona reraka.

16. Ny mpanapaka tsy ampy saina dia mahery mampahory; Izay mankahala ny fieremana no ho ela velona.

17. Izay itambesaran-keloka noho ny fandatsahan-drĂ  dia handositra hatrany an-davaka; Aoka tsy hisy hihazona azy.

18. Izay mandeha tsy misy tsiny no ho voavonjy; Fa izay mivadika ka mandeha amin'ny lalana miolikolika no ho lavo tampoka.

19. Izay miasa ny taniny dia ho voky hanina Fa izay manaraka ny olom-poana ho voky alahelo kosa.

Ohabolana 28