6. Azo itokiana hahasoa ny fery ataon'ny sakaiza; Fa tena fitaka ny fanorohan'ny fahavalo.
7. Hitsakitsahin'ny voky na dia ny toho-tantely aza; Fa mamin'ny noana na dia ny zava-mangidy rehetra aza.
8. Toy ny voron-kely miala amin'ny akaniny ka mirenireny, Dia toy izany ny olona izay mirenireny miala amin'ny fonenany.
9. Ny diloilo sy ny zava-manitra mahafaly ny fo, Ary ny hamamin'ny sakaiza dia avy amin'ny ana-panahy ataony.
10. Aza mahafoy ny sakaizanao, na ny sakaizan-drainao, Ary aza mankany amin'ny tranon'ny rahalahinao amin'ny andro fahorianao; Fa tsara ny namana akaiky noho ny rahalahy lavitra.
11. Anaka, hendre, ary ampifalio ny foko, Mba hamaliako izay miteny ratsy ahy.
12. Ny mahira-tsaina mahatazana ny loza ka miery; Fa ny kely saina kosa mandroso ka voa.
13. Alao ny lambany, fa efa niantoka olon-kafa izy, Ary tano ho solon'ny vahiny janga niantohany izy.
14. Izay mifoha maraina koa ka misaotra ny sakaizany amin'ny feo mahery, Dia isaina ho fanozonana izany.
15. Tahaka ny fijononoky ny ranonorana be Ny vehivavy tia ady.
16. Izay misakana azy dia toy ny misakana ny rivotra, Sady toy ny mamihina diloilo ny tànany ankavanana.
17. Ny vy maharanitra ny vy, Toy izany, ny olona maharanitra ny tarehin'ny sakaizany.
18. Izay miaro aviavy dia hihinana ny voany; Ary izay miambin-tompo dia homem-boninahitra.
19. Toy ny tandindona eny anaty rano mifanahaka amin'ny tarehy, Dia toy izany no ifanahafan'ny fon'ny olona amin'ny an'olona.
20. Ny fiainan-tsi-hita sy ny fandringanana tsy mety voky, Dia toy izany no tsy ahamamoan'ny mason'ny olona.