Ohabolana 27:3-9 Malagasy Bible (MG1865)

3. Mavesatra ny vato, ary mavesa-danja ny fasika; Fa ny fahasosoran'ny adala dia manoatra noho izy roa tonta.

4. Masiaka ny fahavinirana, ary misafoaka ny fahatezerana; Fa iza no mahajanona eo anatrehan'ny fahasaro-piaro?

5. Aleo anatra imaso Toy izay fitia afenina.

6. Azo itokiana hahasoa ny fery ataon'ny sakaiza; Fa tena fitaka ny fanorohan'ny fahavalo.

7. Hitsakitsahin'ny voky na dia ny toho-tantely aza; Fa mamin'ny noana na dia ny zava-mangidy rehetra aza.

8. Toy ny voron-kely miala amin'ny akaniny ka mirenireny, Dia toy izany ny olona izay mirenireny miala amin'ny fonenany.

9. Ny diloilo sy ny zava-manitra mahafaly ny fo, Ary ny hamamin'ny sakaiza dia avy amin'ny ana-panahy ataony.

Ohabolana 27