Ohabolana 27:1-5 Malagasy Bible (MG1865)

1. Aza mirehareha ny amin'ny ho ampitso ianao; Fa na dia ny havoaky ny anio aza tsy fantatrao.

2. Aoka ny olon-kafa no hidera anao, fa tsy ny vavanao, Eny, ny vahiny, fa tsy ny molotrao.

3. Mavesatra ny vato, ary mavesa-danja ny fasika; Fa ny fahasosoran'ny adala dia manoatra noho izy roa tonta.

4. Masiaka ny fahavinirana, ary misafoaka ny fahatezerana; Fa iza no mahajanona eo anatrehan'ny fahasaro-piaro?

5. Aleo anatra imaso Toy izay fitia afenina.

Ohabolana 27