21. Toy ny arina atao amin'ny vainafo sy ny kitay hazo atao amin'ny afo, Dia toy izany, ny olona tia ady mandrehitra fifandirana.
22. Ny tenin'ny mpifosafosa dia toy ny hanim-py ka mikorotsaka ao anaty kibo indrindra.
23. Tavim-bilany misy ankosotra taim-bolafotsy ny molotra mihatsaravelatsihy sy ny fo ratsy.
24. Ny mpandrafy dia mody ho hafa amin'ny molony Sady manafim-pitaka ao am-pony;
25. Koa na dia miteny soa aza izy, aza mino azy; Fa fahavetavetana fito no ao am-pony.
26. Ny lolompo dia miafina ao amin'ny fitaka; Nefa ny haratsiany dia haharihary eo am-pahibemaso.
27. Izay mihady lavaka no ho latsaka ao, Ary izay manakodiadia vato no hikodiavany kosa.
28. Halan'ny lela mandainga izay efa nampahoriny, Ary ny vava mandrobo dia mampidi-doza.