Ohabolana 26:2-15 Malagasy Bible (MG1865)

2. Toy ny vorona mivezivezy sy ny sidintsidina manidina, Dia toy izany ny fanozonam-poana: tsy mba hihatra izany.

3. Ny karavasy ho amin'ny soavaly ny lamboridy ho amin'ny boriky, Ary ny tsorakazo kosa ho amin'ny lamosin'ny adala.

4. Aza mamaly ny adala araka ny hadalany, Fandrao mba adala tahaka azy koa ianao.

5. Valio ny adala araka ny hadalany, Fandrao dia manao azy ho hendry izy

6. Manapaka ny tongony sady misotro loza Izay mampitondra teny ny adala.

7. Mikepikepika ny tongotry ny malemy tongotra, Dia toy izany ny ohabolana eo am-bavan'ny adala.

8. Toy ny manisy vato eo amin'ny antsamotady, Dia toy izany ny manome voninahitra ny adala.

9. Toy ny tsilo eny an-tànan'ny olona mamo, Dia toy izany ny ohabolana eo am-bavan'ny adala.

10. Ny mpiasa mahay dia mahavita ny zavatra isan-karazany; Fa izay manakarama ny adala dia toy ny manakarama izay sendra mandalo.

11. Toy ny amboa miverina amin'ny loany, Dia toy izany ny adala miverina amin'ny hadalany.

12. Hitanao va ny olona manao azy ho hendry? Ny adala misy hantenaina kokoa noho izy.

13. Hoy ny malaina: Misy liona any an-dalana, Misy liona atsy an-dalambe.

14. Toy ny varavarana mihodina amin'ny saviliny, Dia toy izany ny kamo eo amin'ny fandriany,

15. Ny malaina mangarona ny eo an-doviany, Nefa ny hampakatra azy ho amin'ny vavany dia mahasasatra azy.

Ohabolana 26