1. Toy ny oram-panala amin'ny lohataona, Ary toy ny ranonorana amin'ny taom-pijinjana, Dia toy izany ny voninahitra tsy tandrifiny ho an'ny adala.
2. Toy ny vorona mivezivezy sy ny sidintsidina manidina, Dia toy izany ny fanozonam-poana: tsy mba hihatra izany.
3. Ny karavasy ho amin'ny soavaly ny lamboridy ho amin'ny boriky, Ary ny tsorakazo kosa ho amin'ny lamosin'ny adala.
4. Aza mamaly ny adala araka ny hadalany, Fandrao mba adala tahaka azy koa ianao.
5. Valio ny adala araka ny hadalany, Fandrao dia manao azy ho hendry izy
6. Manapaka ny tongony sady misotro loza Izay mampitondra teny ny adala.
7. Mikepikepika ny tongotry ny malemy tongotra, Dia toy izany ny ohabolana eo am-bavan'ny adala.
8. Toy ny manisy vato eo amin'ny antsamotady, Dia toy izany ny manome voninahitra ny adala.
9. Toy ny tsilo eny an-tànan'ny olona mamo, Dia toy izany ny ohabolana eo am-bavan'ny adala.