Ohabolana 25:22-27 Malagasy Bible (MG1865)

22. Fa raha manao izany ianao, dia hanambatra vainafo ho eo an-dohany, Ary Jehovah no hamaly soa anao.

23. Ny rivotra avy any avaratra mahatonga ranonorana, Dia toy izany, ny lelan'ny mpifosa mampahavinitra endrika.

24. Aleo mitoetra eo an-joron'ny tampontrano Toy izay miray trano amin'ny vehivavy tia ady.

25. Rano mangatsiaka amin'ny fanahy reraka Ny filazana soa avy any an-tany lavitra.

26. Loharano voahosihosy sy fantsakana simba Ny marina izay mikoy ny ratsy fanahy,

27. Tsy tsara raha mahery homana tantely; Fa ny fitadiavan'ny olona ny voninahiny dia tsy voninahitra.

Ohabolana 25