Ohabolana 24:20-28 Malagasy Bible (MG1865)

20. Fa tsy hisy fanantenana ho an'ny ratsy; Eny, ho faty ny jiron'ny ratsy fanahy.

21. Anaka, matahora an'i Jehovah sy ny mpanjaka; Ary aza mikambana amin'izay miovaova;

22. Fa ho tampoka no hitrangan'izay hanjo ireny; Ary iza no mahalala izay loza hiseho amin'ny androny?

23. Izao koa no tenin'ny hendry: Tsy mety raha mizaha tavan'olona amin'ny fitsarana.

24. Izay manao amin'ny meloka hoe: Marina ianao, Dia hozonin'ny olona sady ho halan'ny firenena;

25. Fa izay mitsara marina kosa no hahita soa sy hahazo fitahiana tsara.

26. Izay mahavoa tsara amin'ny famaliana dia manoroka ny molotra.

27. Amboary ny asanao any ivelany, Ary ataovy lavorary ny any an-tsaha; Ka rehefa vita izany, dia mahazo manao ny tranonao ianao.

28. Aza mety ho vavolombelona foana hanameloka ny namanao; Moa hamitaka amin'ny molotrao va ianao?

Ohabolana 24