Ohabolana 24:18-25 Malagasy Bible (MG1865)

18. Fandrao hitan'i Jehovah izany ka ataony ho ratsy, Ary ampialainy aminy ny fahatezerany.

19. Aoka tsy hirehitra ny fahatezeranao noho ny amin'ny mpanao ratsy, Ary aza mialona ny ratsy fanahy;

20. Fa tsy hisy fanantenana ho an'ny ratsy; Eny, ho faty ny jiron'ny ratsy fanahy.

21. Anaka, matahora an'i Jehovah sy ny mpanjaka; Ary aza mikambana amin'izay miovaova;

22. Fa ho tampoka no hitrangan'izay hanjo ireny; Ary iza no mahalala izay loza hiseho amin'ny androny?

23. Izao koa no tenin'ny hendry: Tsy mety raha mizaha tavan'olona amin'ny fitsarana.

24. Izay manao amin'ny meloka hoe: Marina ianao, Dia hozonin'ny olona sady ho halan'ny firenena;

25. Fa izay mitsara marina kosa no hahita soa sy hahazo fitahiana tsara.

Ohabolana 24