Ohabolana 24:1-11 Malagasy Bible (MG1865)

1. Aza mialona ny olona ratsy fanahy, Na maniry ho namany;

2. Fa fandravana no saintsainin'ny fony, Ary fampahoriana notenenin'ny molony.

3. Fahendrena no anaovana trano; Ary fahalalinan-tsaina no mampaharitra azy;

4. Sady fahalalana no hamenoana ny efi-trano Amin'izay harena soa sy mahafinaritra rehetra.

5. Be hery ny lehilahy hendry, Eny, mitombo hery ny olona manam-pahalalana;

6. Fa ny fahaizana mandamina tsara no entonao miady, Ary raha maro ny mpanolo-tsaina, dia misy famonjena.

7. Avo tsy takatry ny adala ny fahendrena, Tsy mba mahaloa-bava eo am-bavahady izy.

8. Izay misaintsaina hanao ratsy Dia atao hoe mpamoron-tsain-dratsy.

9. Ota ny fikasan'ny hadalana; Ary fahavetavetana eo imason'ny olona ny mpaniratsira.

10. Raha reraka amin'ny andro fahoriana ianao, Dia kely ny herinao.

11. Vonjeo izay entina hovonoina, Ary enga anie ka mba harovanao izay mangozohozo efa ho mby eo am-pamonoana!

Ohabolana 24