Ohabolana 23:30-35 Malagasy Bible (MG1865)

30. An'izay mikikitra amin'ny divay, Eny, an'izay mandeha hanandrana divay voaharoharo zavatra.

31. Aza mijery ny divay noho ny hamenany Sy ny fanganohanony eo anaty gilasy Ary ny fikoriany mahafinaritra;

32. Fa amin'ny farany dia hanaikitra toy ny bibilava izy Ary hanindrona toy ny menarana.

33. Koa ny masonao dia hijery vehivavy jejo, Ary ny fonao hieritreri-dratsy.

34. Eny, ho sahala amin'izay mandry ao amin'ny ranomasina ianao Sady ho tahaka izay mandry eo an-tendron'ny andrin-tsambo.

35. Nokapohiny aho, hoy ianao, fa tsy reko naharary ahy, Nandalasiny aho, fa tsy tsaroako; Rahoviana ange aho no hifoha mba hitadiavako azy indray?

Ohabolana 23