9. Izay manana maso miantra hotahina, Satria anomezany ho an'ny malahelo ny haniny.
10. Roahy ny mpaniratsira, dia ho afaka ny fifandirana, Eny, hitsahatra ny ady sy ny fahafaham-baraka.
11. Izay tia fahadiovam-po, dia milaza soa ny molony. Sady sakaizan'ny mpanjaka izy.
12. Ny mason'i Jehovah miaro ny manam-pahalalana; Fa ny tenin'ny mpivadika dia foanany.
13. Hoy ny malaina: Misy liona any ivelany; Ho fatin'ny sasany any an-dalambe aho.
14. Ny vavan'ny vehivavy jejo dia lavaka lalina; Izay voaozon'i Jehovah no ho latsaka ao.
15. Miraikitra amin'ny fon'ny zaza ny hadalana; Fa ny tsorakazo famaizana no hampanalavitra izany aminy.
16. Izay mampahory ny malahelo dia mampitombo ny hareny; Fa izay manome ho an'ny manana kosa dia mampihena ny hareny.
17. Atongilano ny sofinao, ka henoy ny tenin'ny hendry, Ary ampitandremo ny fahalalako ny fonao;
18. Fa mahafinaritra raha voatahirinao ao an-kibonao izany, Koa aoka samy ho eo amin'ny molotrao.
19. Hianao dia ianao no nampahafantariko izany, Mba hitokianao amin'i Jehovah.
20. Tsy efa nanoratra zava-tsoa ho anao va aho, Izay misy hevitra tsara sy fahalalana,
21. Mba hampahafantariko ny fahamarinan'ny teny mahatoky ianao, Sy hahazoanao teny holazaina amin'izay naniraka anao?