5. Tsilo sy fandrika no amin'ny alehan'ny maditra; Fa izay te-hiaro ny ainy dia manalavitra izany.
6. Zaro amin'izay lalana tokony halehany ny zaza, Ka na rehefa antitra aza izy, dia tsy hiala amin'izany.
7. Ny manan-karena dia manapaka ny malahelo, Ary izay misambotra dia mpanompon'ny mampisambotra.
8. Izay mamafy heloka dia hijinja fahoriana, Ary ho levona ny tsorakazon'ny fahatezerany.
9. Izay manana maso miantra hotahina, Satria anomezany ho an'ny malahelo ny haniny.
10. Roahy ny mpaniratsira, dia ho afaka ny fifandirana, Eny, hitsahatra ny ady sy ny fahafaham-baraka.
11. Izay tia fahadiovam-po, dia milaza soa ny molony. Sady sakaizan'ny mpanjaka izy.
12. Ny mason'i Jehovah miaro ny manam-pahalalana; Fa ny tenin'ny mpivadika dia foanany.
13. Hoy ny malaina: Misy liona any ivelany; Ho fatin'ny sasany any an-dalambe aho.
14. Ny vavan'ny vehivavy jejo dia lavaka lalina; Izay voaozon'i Jehovah no ho latsaka ao.