3. Ny mahira-tsaina mahatsinjo ny loza ka miery; Fa ny kely saina kosa mandroso ka voa.
4. Ny valin'ny fanetren-tena sy ny fahatahorana an'i Jehovah Dia harena sy voninahitra ary fiainana.
5. Tsilo sy fandrika no amin'ny alehan'ny maditra; Fa izay te-hiaro ny ainy dia manalavitra izany.
6. Zaro amin'izay lalana tokony halehany ny zaza, Ka na rehefa antitra aza izy, dia tsy hiala amin'izany.
7. Ny manan-karena dia manapaka ny malahelo, Ary izay misambotra dia mpanompon'ny mampisambotra.
8. Izay mamafy heloka dia hijinja fahoriana, Ary ho levona ny tsorakazon'ny fahatezerany.
9. Izay manana maso miantra hotahina, Satria anomezany ho an'ny malahelo ny haniny.
10. Roahy ny mpaniratsira, dia ho afaka ny fifandirana, Eny, hitsahatra ny ady sy ny fahafaham-baraka.