Ohabolana 22:1-5 Malagasy Bible (MG1865)

1. Aleo ho tsara laza toy izay ho be harena, Ary tsara ny fitia noho ny volafotsy sy ny volamena.

2. Mihaona ny manan-karena sy ny malahelo; Fa Jehovah no Mpanao azy roa tonta.

3. Ny mahira-tsaina mahatsinjo ny loza ka miery; Fa ny kely saina kosa mandroso ka voa.

4. Ny valin'ny fanetren-tena sy ny fahatahorana an'i Jehovah Dia harena sy voninahitra ary fiainana.

5. Tsilo sy fandrika no amin'ny alehan'ny maditra; Fa izay te-hiaro ny ainy dia manalavitra izany.

Ohabolana 22