Ohabolana 20:3-8 Malagasy Bible (MG1865)

3. Voninahitry ny olona ny hanalavitra ny ady; Fa ny adala rehetra kosa misafoaka.

4. Ny malaina tsy mety miasa amin'ny ririnina, Ka dia hangataka izy raha fararano, fa tsy hahazo.

5. Rano lalina ny hevitra ao am-pon'ny olona; Fa izay manan-tsaina dia mahay manovo azy ihany,

6. Maro ny olona samy midera ny soa ataon'ny tenany avy; Fa izay olo-mahatoky, iza moa no mahita azy?

7. Izay olona marina mandeha amin'ny fahitsiany Sambatra ny zanany mandimby azy.

8. Mipetraka eo amin'ny seza fitsarana ny mpanjaka, Ka mikororoka manaisotra ny ratsy rehetra ny masony.

Ohabolana 20