Ohabolana 20:15-26 Malagasy Bible (MG1865)

15. Ao ihany ny volamena sy ny voahangy betsaka; Fa ny molotra misy fahalalana no ravaka soa.

16. Alao ny lambany, fa efa niantoka olon-kafa izy, Ary tano ho solon'ny vahiny niantohany.

17. Mamin'ny olona ny hanina azo amin'ny fitaka; Kanjo ho feno fasika ny vavany any am-parany.

18. Ny hevitra rehetra dia aorin'ny fisainana, Ary ny fahaizana mandamina tsara no entonao miady.

19. Izay mandehandeha manaratsy dia manambara ny hevitra afenina, Koa aza miraharaha amin'izay mibedibedy foana.

20. Izay manozona ny rainy na ny reniny, Dia ho faty ao amin'ny alim-pito ny jirony.

21. Ny harena malaky azo foana eo am-boalohany Dia tsy hotahina any am-parany.

22. Aza manao hoe: Hamaly ny ratsy nataony aho; Fa andraso Jehovah, fa Izy no hamonjy anao.

23. Fahavetavetana eo imason'i Jehovah ny vato samy hafa, Ary ny mizana mandainga dia tsy tsara.

24. Avy amin'i Jehovah ny dian'ny olona, Ary hataon'izay olombelona ahoana no hahafantatra ny lalany?

25. Fandrika amin'ny olona ny malaky manao hoe: Zavatra masina ity; Ka nony vita ny voady, vao mamototra.

26. Ny mpanjaka hendry mikororoka manaisotra ny ratsy fanahy Sady mitarika ny kodia fivelezana eo amboniny.

Ohabolana 20