7. Ny vavan'ny adala no fandringanana azy, Ary ny molony ihany no fandriky ny fanahiny.
8. Ny tenin'ny mpifosafosa dia toy ny hanim-py Ka mikorotsaka ao anaty kibo indrindra.
9. Ary izay malaina amin'ny asany Dia rahalahin'ny mpanimba.
10. Ny anaran'i Jehovah dia tilikambo mafy; Ny marina miezaka ho ao aminy ka voavonjy.
11. Ny haren'ny manan-karena no vohiny mafy, Ary raha araka ny fiheviny, dia toa manda avo izany.
12. Ny fireharehan'ny fon'ny olona mialoha ny fahasimbana; Fa ny fanetren-tena kosa mialoha ny voninahitra.
13. Izay mamaly teny mbola tsy re, Dia hadalana sy henatra ho azy izany.
14. Ny faharariany dia zakan'ny fanahin'ny olona ihany; Fa ny fanahy kivy, iza no mahazaka izany?