Ohabolana 18:15-24 Malagasy Bible (MG1865)

15. Ny fon'ny manan-tsaina mahazo fahalalana; Ary ny sofin'ny hendry mitady izany.

16. Ny fanomezan'ny olona dia mahalalaka ny alehany, Hahatonga azy eo anatrehan'ny lehibe.

17. Izay mandahatra aloha no toa marina; Fa nony avy kosa ny an-daniny, dia mamaly ny teniny.

18. Ny filokana mampitsahatra ady Ary mampisaraka ny samy mahery.

19. Ny mampionona ny rahalahy voaisy ratsy dia sarotra noho ny manafaka vohitra mafy, Ary ny fifandirana aminy dia tahaka ny hidin'ny lapan'ny mpanjaka.

20. Ny vokatry ny vavan'ny olona no mahavoky soa azy; Eny, ny vokatry ny molony no mahavoky azy.

21. Ny mahafaty sy ny mahavelona samy hain'ny lela, Koa izay manarana azy dia hihinana ny vokany.

22. Izay lehilahy mahazo vady dia mahazo zava-tsoa Sady mahita sitraka amin'i Jehovah.

23. Fitarainana no ataon'ny malahelo; Nefa ny manan-karena kosa dia mamaly mahery.

24. Izay maro sakaiza tsy maintsy tra-pahoriana; Fa misy sakaiza tia, izay mifikitra noho ny rahalahy aza.

Ohabolana 18