1. Izay mitokana ho azy dia mitady ny mahafinaritra ny tenany ihany, Misafoaka manohitra izay hevitra mahasoa rehetra izy.
2. Ny adala tsy mba finaritra amin'ny fahalalana, Fa ta-haneho izay ao am-pony.
3. Raha avy ny ratsy fanahy, dia avy ny fanamavoana; Ary miaraka amin'ny fahafaham-baraka ny henatra.
4. Rano lalina ny teny aloaky ny vavan'ny olona, Ary rano miboiboika ny loharanon'ny fahendrena,
5. Tsy mety raha manohana ny ratsy fanahy Handresy ny marina amin'ny fitsarana.