4. Ny mpanao ratsy mampandry sofina amin'ny molotra mandainga; Ary ny mpandainga mihaino ny lela mampidi-doza.
5. Izay mihomehy ny malahelo manala baraka ny Mpanao azy; Ary izay faly amin'ny fahorian'ny sasany dia tsy maintsy hampijalina.
6. Satroboninahitry ny antitra ny zafiny; Ary voninahitry ny zanaka ny rainy.
7. Ny teny jadona tsy tandrifiny halahatry ny adala, Koa mainka fa tsy tokony ho an'ny zanak'andriana ny molotra mandainga.
8. Ny kolikoly dia toy ny vato soa eo imason'izay mahazo azy, Ka na aiza na aiza alehany dia ambinina ihany.
9. Izay te-ho be fitiavana dia manaron-keloka; Fa izay mamohafoha teny mampisaraka ny tena mpisakaiza.
10. Ny anatra dia manan-kery kokoa amin'ny hendry Noho ny kapoka injato amin'ny adala.
11. Ny maditra dia fatra-pitady ny ratsy, Ka dia iraka lozabe no irahina hamely azy.
12. Aleo mifanena amin'ny bera very anaka Toy izay amin'ny adala feno hadalana.
13. Izay mamaly ratsy ny soa, Ny ratsy tsy hiala ao an-tranony.
14. Ny fiandohan'ny ady dia toy ny manata-drano, Koa ilaozy ny fifandirana, dieny tsy mbola mifandramatra.