Ohabolana 17:17-28 Malagasy Bible (MG1865)

17. Izay tena sakaiza tokoa dia tia amin'ny andro rehetra, Sady miseho ho rahalahy hamonjy amin'ny fahoriana.

18. Olona tsy ampy saina izay mifandray tanana Hiantoka eo anatrehan'ny sakaizany.

19. Izay tia ady dia tia heloka; Ary izay manao vavahady avo mitady fahasimbana.

20. Izay madi-po tsy hahita soa; Ary izay manana lela mandainga hivarina any amin'ny loza.

21. Izay miteraka adala hahazo alahelo; Ary ny rain'ny adala tsy ho faly.

22. Ny fo ravoravo mahasalama tsara; Fa ny fanahy kivy mahamaina ny taolana.

23. Ny ratsy fanahy mandray kolikoly avy any anaty lamba Ho entiny mamadika ny rariny.

24. Eo anoloan'ny manan-tsaina ny fahendrena; Fa ny mason'ny adala dia mibirioka any amin'ny faran'ny tany.

25. Ny zanaka adala mampalahelo ny rainy Sady fahoriana mangidy amin'ny reniny niteraka azy.

26. Tsy mety raha mampijaly ny marina, Na mamely ny manan-kaja noho ny fahamarinany.

27. Izay mahafihim-bava no manam-pahalalana; Ary izay mahatsindry fo no manan-tsaina.

28. Na ny adala aza, raha tsy miteny, dia atao ho hendry, Ary izay mahafihim-bava dia toa manan-tsaina.

Ohabolana 17