Ohabolana 17:13-25 Malagasy Bible (MG1865)

13. Izay mamaly ratsy ny soa, Ny ratsy tsy hiala ao an-tranony.

14. Ny fiandohan'ny ady dia toy ny manata-drano, Koa ilaozy ny fifandirana, dieny tsy mbola mifandramatra.

15. Izay manamarina ny meloka, na izay manameloka ny marina,Dia samy fahavetavetana eo imason'i Jehovah.

16. Hatao inona re ity vola an-tànan'ny adala? Hamidy fahendrena va? tsy manan-tsaina izy.

17. Izay tena sakaiza tokoa dia tia amin'ny andro rehetra, Sady miseho ho rahalahy hamonjy amin'ny fahoriana.

18. Olona tsy ampy saina izay mifandray tanana Hiantoka eo anatrehan'ny sakaizany.

19. Izay tia ady dia tia heloka; Ary izay manao vavahady avo mitady fahasimbana.

20. Izay madi-po tsy hahita soa; Ary izay manana lela mandainga hivarina any amin'ny loza.

21. Izay miteraka adala hahazo alahelo; Ary ny rain'ny adala tsy ho faly.

22. Ny fo ravoravo mahasalama tsara; Fa ny fanahy kivy mahamaina ny taolana.

23. Ny ratsy fanahy mandray kolikoly avy any anaty lamba Ho entiny mamadika ny rariny.

24. Eo anoloan'ny manan-tsaina ny fahendrena; Fa ny mason'ny adala dia mibirioka any amin'ny faran'ny tany.

25. Ny zanaka adala mampalahelo ny rainy Sady fahoriana mangidy amin'ny reniny niteraka azy.

Ohabolana 17