1. Tsara ny sombi-mofo maina misy fiadanana Noho ny trano feno hena misy fifandirana.
2. Ny mpanompo hendry dia hanapaka ny zanaka manao izay mahamenatra Sady hizara lova amin'ny mpirahalahy.
3. Ny memy ho an'ny volafotsy, ary ny fatana fandrendrehana ho an'ny volamena; Fa Jehovah ihany no Mpamantatra ny fo.
4. Ny mpanao ratsy mampandry sofina amin'ny molotra mandainga; Ary ny mpandainga mihaino ny lela mampidi-doza.
5. Izay mihomehy ny malahelo manala baraka ny Mpanao azy; Ary izay faly amin'ny fahorian'ny sasany dia tsy maintsy hampijalina.