Ohabolana 16:18-21 Malagasy Bible (MG1865)

18. Ny fiavonavonana mialoha ny fahasimbana, Ary ny fanahy mirehareha mialoha ny fahalavoana.

19. Tsara ny malemy fanahy ao amin'izay manetry tena Noho ny mizara babo amin'izay miavonavona.

20. Izay mandinika ny teny no hahita soa; Ary izay matoky an'i Jehovah no ho sambatra.

21. Izay hendry am-po dia lazaina hoe manan-tsaina, Ary ny hamamian'ny molotra mampandroso fahendrena.

Ohabolana 16