Ohabolana 14:3-8 Malagasy Bible (MG1865)

3. Eo am-bavan'ny adala misy tsorakazon'ny fiavonavonana; Fa ny molotry ny hendry miaro ny tenany.

4. Raha tsy misy omby, dia foana ny fihinanam-bilona; Fa be ny fitomboan-karena azo amin'ny herin'ny omby.

5. Ny vavolombelona mahatoky tsy mba mety mandainga; Fa mamoaka lainga kosa ny vavolombelona tsy mahatoky.

6. Ny mpaniratsira mba mitady fahendrena, fa tsy mahita; Fa ny manan-tsaina mora mahazo fahalalana.

7. MialĂ  eo anatrehan'ny olona adala, Fa tsy ho hitanao aminy ny molotry ny fahalalana.

8. Ny mitandrina ny alehany no fahendren'ny mahira-tsaina; Fa fitaka ny hadalan'ny adala.

Ohabolana 14